<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Zanahary, Ray Mahery !
 Izahay tsy mana-kery,
 Nefa he ny fahavalo,
 Fa masiaka sady maro ;
 O ! ampio re izahay,
 Fa ny zavatra mihatra
 Tsy mba misy maharatra
 Ny arovanao, ry Ray,
 Zanahary, Ray Mahery,
 Mba arovy izahay !

[V2]
 Zanahary, Ray Miantra !
 Olon-diso sy mahantra
 Izahay izay mitaraina,
 Hianao no antenaina ;
 Iantrao re izahay !
 Be tokoa ny fahotana
 Mahatonga fanimbana
 Efa vitanay tatý :
 Zanahary, Ray Miantra,
 Mamelà ny helokay.

[V3]
 Zanahary, Ray Malala !
 Enga anie ka hahalala
 Mba ho tia sy hanaiky,
 Ary koa mba hanakaiky,
 Ny Mpamonjy izahay ;
 Tsy ny tahotray ny loza
 No manaitra anay hiova,
 Fa ny ran'ny Zanakao :
 Zanahary, Ray Malala,
 Mba hazòny izahay.</lyrics>
<title>Zanahary, Ray mahery FFPM620</title>
<hymn_number>620</hymn_number>
</song>